FIANGONAN' I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA

FJKM MONTROUGE PARIS (Association Cultuelle Loi 1905) Jumelée à la FJKM RASALAMA MARITIORA AMBOHIPOTSY, à la FJKM AMBONINAMPAMARINANA, à la FJKM AMBATOMARO, à la FJKM AMBOHIJAFY, à la FJKM ALASORA, à la FJKM AMBOHITANTELY, à la FJKM AMBOHITSIMELOKA, à la FJKM AMBATOMITSANGANA FANANTENANANA, à la FJKM AMBATOTOKANA FITIAVANA, à la FJKM ANTSAMPANDRANO FIDERANA, à la FJKM MANANDRIANA AVADRADRANO, à la FJKM IFALIMANJAKA FILADELFIA, à la FJKM ANKADIMANGA MANJAKANDRIANA

SLK SYNODAMPARITANY 08 FJKM ANTSIRABE FILADELFIA

Au Temple de l'Eglise Réformée de France (E.R.F.) - 64, rue Maurice Arnoux - 92120 Montrouge

http://www.fjkm-montrouge.fr 2013 PASKA 31 MARTSA 20 13 (15H00)

MAMPANANTENA FAHAFAHANA NY TOMPO ! VELONA NY TOMPO, FANDRESEN’NY MINO ! “Esory ny masirasira ela,mba ho vongana vaovao hianareo,araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy ,Paska ho antsika”.( 1Korintiana 5.7 )

FEON’ORGA FIARAHABANA APOSTOLIKA FISAORANA SY FIDERANA Salamo 122.1-4- Faly aho raha hoy izy ireo tamiko : Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah.Ny tongotray efa mijoro eo anatin’ny vavahadinao,ry Jerosalema ô,dia hianao,ry Jerosalema,izay efa vita tahaka ny tanàna efa voalamina tsara ; any no iakaran’ny firenena, dia ireo firenen’i Jehovah mba hisaotra ny anaran’i Jehovah .Amena.

HIRA FF 11 – FALY AHO ! VAVAKA FIDERANA. FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA Sambatra ny mahitsy làlana,dia izay mandeha araka ny lalàn’ny Tompo.Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony ka mitady Azy amin’ny fo rehetra » HIRA :440/1,2 – RY KRISTY O ! MPANJAKAKO ! VAVAKA FIFONANA

HIRA FF 22 – TSY MENDRIKA AHY ! TENY SOA MAHAFALY Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.Sambatra ny olona izay tsy isain’I Jehovah heloka,ary tsy misy fitaka ny fanahiny. Amena.

HIRA :549/1,4 – JESOSY NO ASANDRATRO ! FANAMBARANA NY FINOANA –Fanekem-pinoana N°1

HIRA : 146/1,3 – ANAO NY DERA ! FEON’ORGA HIRA - STKM FILAZAN-DRAHARAHAM-PIANGONANA RAKITRA –HIRA: 141/1,2,4,5-EFA RESY IZAO !Fanolorana-HIRA:443/2 HIRA : 212/1,2- VELONA SY MAHERY ! VAVAKA SORATRA MASINA Daniela 12.1-3, Matio 28.1-10, Apokalypsy 1.1-8 Ray masina ô, manamasina anay amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana.Amena.

FEON’ORGA FOHY HIRA - CHORALE HIRA : 142/3,4 – ANDRO LEHIBE TOKOA !

FANASAN’NY TOMPO VAVAKA FANOMBOHANA HIRA :ANTEMA 1 –Masina ! Masina! Masina ! TENY FANORENANA – FAHATSIAROVANA HIRA: 480/1- MAMIN’NY FOKO RY JESO O ! VAVAKA FANAMASINANA-FANASANAFANDRAISANA-FEON’ORGA VAVAKA FISAORANA HIRA FF 26/1,2,3- JESOSY REHAREHAKO ! – Raki-pisaorana TSODRANO

HIRA : 128/1,2 – EFA VELONA NY TOMPO ! HIRA FF 41 – JESOSY NO MPANAVOTRA ! TORITENY

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ! Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen.

FEON’ORGA

FF 11 - Faly aho Faly aho raha hoy izy ireo tamiko “Handeha isika ho any an-tranon’I Jehovah, Ny tongotray efa mijoro Ao anatin’ny vavahadinao Ry Jerosalema, ry Jerosalema. Dia ianao ry Jerosalema, Izay efa vita tahaka ny tanàna Efa voalamina tsara. Any no hiakaran’ny firenena, Ny firenen’I Jehovah, Mba hisaotra ny Anarany Mba hisaotra ny Anarany Mba hisaotra ny Anaran’i Jehovah.”

440 - Ry Kristy ô, Mpanjakako! (1-2) 1. Ry Kristy ô, Mpanjakako! Ny foko ho Anao, Ny feoko hasandratro Hihira ho Anao. 2. Mba raiso ny fanahiko Hanao ny sitrakao; Ny tenako, ny heriko, Dia ento ho Anao.

FF 22 - Tsy mendrika ahy Tsy mendrika ahy mpanompo Ny atao hoe " zanakao " Kanefa lanao, ry Tompo No niantso ahy izao Izay manatona Ahy Tsy ho laviko, hoy lanao Dia tamy aho ka sahy Nanatona anao Ianao no Madio (Mba diovy aho re) Ianao no Marina (Mba hamarino aho re) Ianao no Masina (Mba hamasino aho re) Tsy mendrika hitsimpona Ny latsaka amin'ny latabatrao aho Kanefa, hoy lanao : "Izay manatona Ahy Tsy ho laviko mihitsy" Noho ny teninao, noho ny teninao Dia sahiko ny manatona Ianao no Madio (Mba diovy aho re) lanao no Marina (Mba hamarino aho re) Ianao no Masina (Mba hamasino aho re) Mba diovy aho re Hamarino aho re Mba diovy aho re Mba hamarino re (Hamarino aho re) Mba hamasino re (Hamasino aho re) Mba diovy Hamarino Hamasino re.

549 - Jesosy no asandratro (1-4) 1. Jesosy no asandratro, Fa Izy no Mpanavotro, Ny tànany nanafaka Ny aiko tao an-davaka ; Ny rafiko ho ketraka, Izaho afa-kenatra, Fa manana ny Tompoko, lzay mandako sy aroko ; 4. Ny hanitry ny lanitra Mamerovero fatratra ; Ny kalon'ny voavotra

Manatsika ahy hiakatra; Ny tavan'ny Mpamonjiko No tsinjon'ny fanahiko, Ny tavany manafaka Ny aizina ao anatiko : Ry foko ô! sns... Fiv : Ry foko ô! Ankalazao Jesosy, lzay Mpamonjinao.

146 - Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray (13) 1. Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray, Anao ny fandresena, ry Mpanjakanay. Ny fasana nivoha noho ny herinao, Ny Anaranao Tsitoha tsy voatana tao. 3. He, ravo aho: Izy no santatra Izaho koa hifoha, mba ho sambatra. Ny fandresen'i Jeso, lovako tokoa, Ny Anarany Tsitoha hanangana ahy koa. Anao ny dera, sns... Fiv : Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray, Anao ny fandresena, ry Mpanjakanay.

141 - Efa resy izao na dia ny fasana aza (1-2-4-5) 1. Efa resy izao na dia ny fasana aza, Ka asandrato re ny hira sy ny feo, Jesosy nampikoy Lay rafy 'zay nandoza, Ry fahafatesana ô! Aiza moa ny herinao? 2. Lasa ilay tahotrao, ry foko 'zay malemy, Fa torotoro 'zao ny fahavalonao, Tsy nahatohitra ny sandrin'i Jesosy; Ry fahafatesana ô! Aiza moa ny herinao? 4. Kristy no santatra: ny lalana mankany Ho ao an-tranon-dRay, mivoha tsara izao. Ny fifaliana manerana ny tany. Ry fahafatesana ô! Aiza moa ny herinao? 5. Kristy no fiainana: izay matahotra Azy Omeny tanjaka, fanahy, fo vaovao. Ka ataony velona, mpandresy tahaka Azy, Ry fahafatesana ô! Aiza moa ny herinao?

443 - Raiso ho Anao ny foko (2) 2. Raiso ho Anao ny foko, Ry Jesosy Tompo ô! Tsy mba vola, fa ny foko, No atolotro Anao: :,: Raiso, Tompo! Raiso, Tompo! Fa fanati-tsitrapo. :,:

212 - Velona sy mahery (1-2) 1. Velona sy mahery, Ny Tenin'Andriamanitra Ka na dorana aza Dia tsy ho levona Ny Sekoly Alahady Dia mivelona aminy. 2. Sabatra roa lela maranitra, manindrona, Mampisaraka aina Sy fanahy, tonona; Fantany avokoa Ny am-po miafina.

128 - Efa velona ny Tompo (1-2) 1. Efa velona ny Tompo Fa nitsangana tokoa; Resiny ny fahavalo, 'Lay mpihaza aina soa; :,: Velona ny Tomponao, Resiny ny rafinao. :,: 2. Matokia, ry mpanota, An'i jeso Avotrao, Fa ny ota nahadiso Afaka tokoa izao; :,: Velona ny Tomponao, Afany ny helokao. :,:

142 - Tafatsangana tokoa (3-4) 3. Andro lehibe tokoa, Haleloia! Andro fihobiana, Haleloia! Afaka ny tahotra, Haleloia! Mihirà ry olona, Haleloia! 4.Haja, laza, aterinay, Haleloia! Jeso ô! Mpanjakanay, Haleloia! Raiso re ny saotranay, Haleloia! Raiso koa ny tenanay, Haleloia!

AN 1 - Masina, Masina Masina, Masina Jehovah Tompo! Feno ny voninahitrao Izao rehetra izao, ry Tompo ô! Amena.

480 - Mamin’ny foko, ry Jeso ô (1) 1. Mamin’ny foko, ry Jeso ô ! Ny famonjena izay vitanao; Ny hadisoako navelanao Tena afaka aho mandrakizay. Fiv : Jeso malala ô ! Mpamonjy soa! Indro ny aiko raiso ho Anao ; Velon-kanompo, velon-kanoa, Vonon-kanao izay sitrakao.

FF 26 - Jesosy reharehako 1- Tsy misy reharehako Afa-tsy Ianao, Jesosy ô ! Anao ny hery, Anao ny haja Sy Voninahitra Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita Indro efa resinao Izao tontolo izao dia nahita Fa efa nitsangana Ianao Sambatra aho, Jeso ô,

Manana Anao izay Tompon’ny hery. Sambatra aho, Jeso ô, Miankina eo an-tratranao Ampy ahy ny Fitiavanao Ampy ahy ny finoako Anao. Raketiko ao am-po lalandava Fa reharehako Ianao 2- Nasehonao ilay fahefana Manda sy aroko, Ka niala maina teo ilay satana Izay fahavaloko Tsy misy maharombaka akory Izay eo an-tananao Izany indrindra no ilazako Fa reharehako Ianao 3- Tsy nisy nahitam-pamonjena Afa-tsy taminao. Nanaiky Ianao, tsy mba noterena Hitondra aina vao. Ny tananao mahery natsotranao Mba hitantana Hahaizako mandeha sy mizotra Ny làla-marina.

FF 41 - Jesoa no Mpanavotra O! iza, iza? Iza no hamonjy ahy Iza, iza no hamonjy ahy re ? Fa rerak'aho e Fa dia reraka Milonjy entam-pahotana Fahotana be O! manatona Manatona an'i Jesoa Fa Izy ihany Izy no hamonjy anao Fa noreseny Efa noreseny na Ny fasan'aza dia Ny fahafatesana ! Ny fasan'aza ! Efa noreseny izao Ny fahafatesana 'lay fahavalonao Ka mba mifalia ! Mifalia ianao Fa Jesoa Tompo no Mpanavotra anao Ry Jesoa Tompo ô ! Ry Jesosy Tompo ô ! Mba raiso re ny foko Ho anao izao ! Fa famonjena fanavotan-dehibe Sy avotr'aina koa No he atolotrao Fa novonoina ! Novonoina Ianao Hisolo voina Mba hisolo voina anay Fa noresenao Efa noresenao na Ny fasan'aza dia Ny fahafatesana Ny fasan'aza ! Efa noreseny izao Ny fahafatesana 'lay fahavalonao Ka mifaly re ! Ka mifaly izahay Fa Jesoa Tompo no Mpanavotra anay !

fjkm montrouge paris -

“Esory ny masirasira ela,mba ho vongana vaovao hianareo,araka izay tsy ... iakaran'ny firenena, dia ireo firenen'i Jehovah mba hisaotra ny anaran'i Jehovah .

109KB Sizes 14 Downloads 231 Views

Recommend Documents

FJKM MONTROUGE PARIS
rano velona izy,izay mamoa amin'ny fotoany,ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa. Amen. HIRA: 471/1,2 –HE ...

FJKM MONTROUGE PARIS
rano velona izy,izay mamoa amin'ny fotoany,ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa. Amen. HIRA: 471/1,2 –HE ...

fjkm montrouge paris -
Mba raiso ho Anao. 547 - Ry Jeso. Masoandronay ô! (1-2-3). 1. Ry Jeso. Masoandronay ô! Ny aizin'ny fo lasa tokoa. Fa tonga aty anatinay izao. Mazava lehibe.

fjkm montrouge paris -
Mba raiso ho Anao. 547 - Ry Jeso. Masoandronay ô! (1-2-3). 1. Ry Jeso. Masoandronay ô! Ny aizin'ny fo lasa tokoa. Fa tonga aty anatinay izao. Mazava lehibe.

Distilling Abstract Machines - LIPN, Paris 13 - Université Paris 13
veloped in [1, 3, 4, 7, 10], and bearing similarities with calculi .... SECD, the lazy KAM, and Sestoft's abstract machine for call-by- ... Does it affect in any way the.

Distilling Abstract Machines - LIPN, Paris 13 - Université Paris 13
Context Representation: using environments e (aka lists of sub- stitutions) and stacks π ..... equivalence, is based on particular representatives of α-classes de- fined via the notion of ...... French-Argentinian Laboratory in Computer Science INF

Lima-Paris Action Agenda
The Lima-Paris Action Agenda : support players already engaged in climate action ... assessment of best farming practices for soil carbon and their impact on ...

Lima-Paris Action Agenda
Encouraging new substantial commitments : new initiatives and ... 4 complementary research themes : ... assessment of best farming practices for soil carbon.

PARIS-INGUIDES-Cultureshock-Paris-A-Survival-Guide-To ...
Page 1 of 3. Download ~~~~~~!!eBook PDF PARIS: INGUIDES (Cultureshock Paris: A Survival Guide To Customs & Etiquette). (EPub) PARIS: INGUIDES (Cultureshock Paris: A Survival. Guide To Customs & Etiquette). PARIS: INGUIDES (CULTURESHOCK PARIS: A SURVI

Paris Graph.pdf
There was a problem previewing this document. Retrying... Download. Connect more apps... Try one of the apps below to open or edit this item. Paris Graph.pdf.

Je taime paris
Keiran lee game.DOCTORWHO CHRISTMAS song.Jetaime paris.891419453988.Sweet - FoxOnThe Run.Black Venus 2010.Theavengers. judas.Courtney cummztonight.Itcost her blood ... When dealingwithDionysus in disguise healso displays imprudent behavior; while Pen

PARIS, 29-30 SEPTEMBER 2016
Sep 30, 2016 - a power-law as the liquidation speed tends to infinity. .... Abstract: Consumers satisfy their electricity demand by self-production (solar panels) and centralized pro- ... best performing model among all the existing alternatives.

FraMCoS - 9 - Chapitre ACI Paris
FraMCoS - 9. The 9th International. Conference on Fracture. Mechanics of Concrete and. Concrete Structures. Conference site: Clark Kerr Campus. University of California, Berkeley. Berkeley, California, USA. Conference dates: May 22-25, 2016. Opening

PARIS, 29-30 SEPTEMBER 2016
Sep 30, 2016 - price of the American Put/Call. ... Lévy models, which provides a very good statistical fit with observed ... Abstract: We study optimal buying and selling strategies in target zone ... which the diffusion remains in the domain.

PARIS FASHION WEEK.pdf
Loading… Page 1. Whoops! There was a problem loading more pages. PARIS FASHION WEEK.pdf. PARIS FASHION WEEK.pdf. Open. Extract. Open with.

itinerario Paris 2015blog.pdf
There was a problem previewing this document. Retrying... Download. Connect more apps... Try one of the apps below to open or edit this item. itinerario Paris ...

Watch Paris-New York-Paris (1928) Full Movie Online Free ...
Whoops! There was a problem previewing this document. Retrying... Download. Connect more apps... Try one of the apps below to open or edit this item. Watch Paris-New York-Paris (1928) Full Movie Online Free .MP4_________.pdf. Watch Paris-New York-Par

Flyer CDH Paris 2017.pdf
Flyer CDH Paris 2017.pdf. Flyer CDH Paris 2017.pdf. Open. Extract. Open with. Sign In. Main menu. Displaying Flyer CDH Paris 2017.pdf.

PROGRAMA - Paris e Benelux.pdf
Programa a cargo de Pinto Lopes Viagens com o RNAVT n.o 2070. Whoops! There was a problem loading this page. PROGRAMA - Paris e Benelux.pdf.

disneyland paris map pdf
There was a problem previewing this document. Retrying... Download. Connect more apps... Try one of the apps below to open or edit this item. disneyland paris ...

tripadvisor paris guide pdf
Page 1 of 1. File: Tripadvisor parisguide pdf. Download now. Click here if your download doesn't start automatically. Page 1 of 1. tripadvisor paris guide pdf.

David Gale in Paris
Apr 15, 2009 - simple way of computing the results when there are many voters or judges who give their opinions, such as .... by Claude Berge in 1975.