FIANGONAN' I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
FJKM MONTROUGE PARIS (Association Cultuelle Loi 1905) Jumelée à la FJKM RASALAMA MARITIORA AMBOHIPOTSY, à la FJKM AMBONINAMPAMARINANA, à la FJKM AMBATOMARO, à la FJKM AMBOHIJAFY, à la FJKM ALASORA, à la FJKM AMBOHITANTELY, à la FJKM AMBOHITSIMELOKA, à la FJKM AMBATOMITSANGANA FANANTENANANA, à la FJKM AMBATOTOKANA FITIAVANA, à la FJKM ANTSAMPANDRANO FIDERANA, à la FJKM MANANDRIANA AVADRADRANO, à la FJKM IFALIMANJAKA FILADELFIA, à la FJKM ANKADIMANGA MANJAKANDRIANA
SLK SYNODAMPARITANY 08 FJKM ANTSIRABE FILADELFIA
Au Temple de l'Eglise Réformée de France (E.R.F.) - 64, rue Maurice Arnoux - 92120 Montrouge
http://www.fjkm-montrouge.fr
ALAHADY 24 MARTSA 2013 2013
MAMPANANTENA FAHAFAHANA NY TOMPO ! NY LALAN’NY FAHAFAHANA ! “ Ary raha mijaly ny ananikiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba n y tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anakiray amin’ny momb ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.” ( 1 Korintiana 12.26 )
ENDRINY FAHAEFATRA ALAHADIN’NY SAMPANSAMPAN-DROFIA FEON’ORGA FIARAHABANA APOSTOLIKA
HIRA : 267/2,3,4- HE NY ANDON’NY MARAINA ! VAVAKA FILAZAN-DRAHARAHAM-PIANGONANA SALAMO FIDERANA Salamo 1.1-3 –Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo ain’ny fisainan’ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ny làlana falehan’ny mpanota.Ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira; fa ny lalàn’i Jehovah no sitrany;eny ny lalàny no saitsaininy andro aman’alina.Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy,izay mamoa amin’ny fotoany,ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa. Amen. HIRA: 471/1,2 –HE SAMBATRA AHO JESO ! VAVAKA VAKITENY : Jeremia 29.10-15; Matio 21.1-11;Romana 6.20-23.
Ray masina ô,manamasina anay amin’ny fahamarinana ny teninao no fahamarinana. Amen. HIRA : 164/1- JESOSY IRERY IHANY !
TORITENY FEON’ORGA Fohy - HIRA STKM
“FAMPIANARANA MIKASIKA NY FIANGONANA” Fanolorana - HIRA FF 4/1 –RY FANAHY O! HIRA FF 14/1,3 – JESOA APETRAKO AMINAO ! VAVAKA SORATRA MASINA + FAMPAHEREZANA HIRA FF 15/1,2 – TOMPO MALALA TSITOHA ! VAVAKA FANGATAHANA RAKITRA – HIRA: 150/1,2,3- HE TSARA NY FONENANA !
TSODRANO HIRA FF 13 – MIHIRA FIHIRAM-BAOVAO ! Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.Amin’ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina . Amena. FEON’ORGA
267 - He, ny andon'ny maraina (2-3-4) 2. Ny fanahy karankaina Misy rano velona, Fa Jesosy andon'aina Manome fiainana Velona ny jentilisa, Ny tany hay dia tonga Paradisa Marobe no efa voaisa Handray ny lova masina! 3.Misy lalana mizotra, Izay mankao Ziona re; Any no mitanjozotra Ny vahiny marobe; Ka Ziona dia mivoha Hidiran'ny navotan'ny Tsitoha; Ao no ivorian'ny mifoha, Fa an'ny Tompo lehibe. 4. He, mikambana ny mino Amim-pifaliam-be, Ka ny hobiny maneno Tahaka ny rano be! Ao mitovy avokoa Tsy misy tompo sy mpanompo koa. Eny, razana iray tokoa Ny mponina ao Ziona re! 471 - He sambatra aho, Jeso (1-2) 1. He sambatra aho, Jeso Raha miaraka aminao Fa ny lalanao dia lavim-pahoriana
Ny ali-mampahory, ny raho-mitatao Eo anilanao dia mody fitahiana, Tano aho, Jeso, hiaraka aminao Izay làlana ombako e ! mba hazavao 2. Izao no faniriako manetsika ny fo: Ho sakaizanao mandrakizay doria Na inona mihatra, na inona manjo, Hianao no antenaiko hitantana ny dia, O ! Avia, Jeso tano aho e! Tantanonao ny diako Tompo mamonje ! 164 - Jesosy irery ihany (1) 1. Jesosy irery ihany; Filazantsara soa Nentin’ireo mpanompo, Torina aminao. Maizina avokoa Izao rehetr’izao Nefa he ny mazava Naposaka aminao. FF 14 - Jesoa, apetraka Aminao 1. Jesoa, apetrako Aminao Ny fanahiako rehetra Ny asa vita hatrizao Anao tokoa tsy misy fetra Jesoa, apetraka Aminao 3. Jesoa, apetrako Aminao Ny toky sy fanantenana
Ny sitrakao no aoka hatao Na aiza lalana ombana Jesoa, apetraka aminao 150 - He! Tsara ny fonenanao (1-2-3) 1. He! Tsara ny fonenanao, Andriamanitra ô! Ziona tendrombohitrao, Tanàna masina; Ka iza no hiakatra ao? Izay Izay mahitsy fo, Izay madio tanana, Izay manao ny to. Ka mino ny Mpanavotra, (in3) Ireo hiakatra ao. 2. Mba misandrata faingana, Ry varavarana! Hidiran'ny Mpanjakanay Be voninahitra. Moa iza izao Mpanjaka izao? Andriamanitra Mahery sy mandresy koa, Mpanjaka masina; He, Izy 'Lay Mpanjakanay (in3) Be voninahitra. 3. Miantranoa, Tompo ô! Mba hifalianay; Voavoatra ny tranonao, Midira aminay; Jehovah no Mpanjakanay Mpanjaka tianay; Ny hery; voninahitra, Sy ny fisaorana, Anao tokoa, ry
Tomponay! (in-3) Mandrakizay doria. FF 4 - Ry Fanahy ô 1. Ry Fanahy ô midina, Manatreha anay anio Ianao Mba hanoloranay, Ny vavakay mangina Vetsovetsom- po 'zay atolotray Vola sy ny harena Samy tsy anananay Fa indro vavaka mangina Fanoloran-tena ho Anao tokoa.
FF 13 - Mihirà fihirambaovao Mihirà fihirambaovao Ho an'i Jehovah, ry tany Mihirà fihirana Ho an'i Jehovah Dia ambarao amin'ny jentilisa Ny Voninahiny. Mihirà fihirana Fihiram-baovao Mihirà fihirana Ho an' i Jehovah, ry Tany Dia ambarao amin'ny Jentilisa Ny Voninahiny Ambarao amin'ny Jentilisa Fa Jehovah no mendrika. Izy no mendrika ny Fiderana